CHU HJRA : Miha betsaka ny tanora tsentsina na tapaka lalandra

Misokatra ho an’ny rehetra ny sampandraharaha mandray an-tanana ireo olona mila fandidiana mahakasika ny loha sy ny hazon-damosina ao amin’ny CHU HJRA. Voalaza fa miha tanora ireo olona tratran’ny fahatsentsenan’ny lalandra ankehitriny ary mila fandidiana.

Miezaka mampahafantatra hatrany ireo sampandraharaha misy ao aminy ny hopitaly CHU HJRA. Tanjona ny hanamora ny fanatonan’ny olona ny hopitaly araka ny aretina mitranga. Ny sampandraharaha misahana ny fandidiana ny loha sy ny hazon-damosina (neurochirurgie) no ampahafantarin’ny Dr Rasolonjatovo Charles, lehiben’ izany sampan-draharaha izany.
Mandidy ireo olon-dehibe sy zaza manana fahavoazana amin’ny loha sy hazon-damosina ka mila fandidiana ny sampandraharaha. 5 ny dokotera manam-pahaizana manokana miaraka amin’ny profesora 2. Misy koa ny mpitsabo manokana momba ny fampatoriana sy ny fameloman’aina ary ny toeram-pandidiana. Mi­sokatra amin’ny fotoana rehetra ny sampam-pitsaboana handraisana ireo marary.
Ny dona mahazo ny loha no tranga betsaka indrindra (40%) raisina ao an-toerana. Mila mandalo fizahana ny marary ka angatahana ny fitarafana. Ao ko ireo voadoana lamosina sy tsokan-damosina.
Misy fandraisana an-tanana ihany koa ho an’ireo tratran’ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalan-dra izay betsaka ankehitriny. Satria, manodidina ny 30% eo ho eo izany ka ilana fandidiana. Tsy ny zokiolona intsony no tratran’izany aretina izany fa eo koa ny tanora latsaky ny 40 taona, araka ny fanazavana.
Ankoatra izany, ny dona mahazo ny taolan-damosina sy ny tsokan-damosina dia ilana fandidiana sy fanaraha-maso akaiky. Mandray an-tanana ireo zaza be loha (hydrocephalie) ihany koa ny toerana. Mandidy azy ireny ary mametraka ilay valve mamoaka ny rano ao anatin’ ny atidohany… Eo koa ny aretin-damosina (sciatique, hernie discale…), ny fivontosana ao amin’ny atidoha na ny tumeur raha mila fandidiana.

Tatiana A

Partager sur: