Notanterahina teny amin’ny moske foiben-toeran’ny fikambanan’ny Musulmane Ahmadiyya de Madagascar, eny Andavamamba, ny sabotsy lasa teo, ny fetin’ny fakan-tahaka “Eid ul Adha” ny nataon’i Abrahama araka ny voalazan’ny Soratra Masina hita ao amin’ny Baiboly. Araka ny fanazavan’ny misionera Ahmad Mujeeb, isan-taona ny fahatsiarovana ny fetin’ny fakan-tahaka ny nataon’i Abrahama izay nanaiky hanao sorona ny zanany noho ny fankatoavany an’Andriamanitra. Nosoloin’Andriamanitra ondry anefa izany satria tsapan’Andriamanitra ny fitiavan’i Abrahama ny zanany izay nekeny hatao sorona. Niainga avy amin’io finoan’i Abrahama io no notsarovana tamin’ny fanaovana sorona biby (famonoana omby) mba hankalazana ny fakan-tahaka tsara ny nataon’i Abrahama. Nanamafy izany koa ny misionera Moussah Basile tamin’ ny alalan’ny tarigetran’izy ireo dia ny fitiavana ho an’ny rehetra tsy misy fankahalana. Nozaraina ho an’ny mpiara-belona ny hena ary efa fanaon’ ny Ahmadiyya maneran-tany ny fanamarihana toy izao noho ity fankatoavan’i Abrahama an’Andriamanitra ity. Nomarihin’ny mpitarika ny miziolomanina Ahmadiyya hatrany ny Fitiavana, tsy fankahalana, miasa manerana izao tontolo izao, fifankatiavana, fihavanana, manampy ny olona sahirana sy ny mahantra ary manameloka hatrany ny herisetra. Mitsinjo ny olona sahirana amin’ny alalan’ny fanabeazana ny Ahmadiyya ary mandray an-tanana manokana ireo ankizy te hianatra, kanefa tsy manana fahafahana amin’izany, indrindra ireo eny amin’ny faritra iva.
Jean Claude