Mitarika ny delegasionina any Frantsa ny filoha Rajoelina Andry, mandray anjara amin’ny fivorian’ ny firenena mikambana momba ny Ranomasimbe (UNOC3). Nanomboka, omaly hatramin’ny 13 jona any Nice izany. Hisongadina ny hiarovana ny tombontsoa amin’ny fari-dranomasiny sy ny fiandrianany amin’ny faritra ara-toekaren’i Madagasikara.
Nahemotra ny filankevitry ny minisitra, tokony hatao any Sainte Marie. Hotanterahina ny volana jolay izao indray izany noho ny fanatrehan’ny filohan’ny Repoblika sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta ny fetim-pirenena, araka ny fampitam-baovaon’ny depiote voafidy any an-toerana, Imbiky Herilaza.
Foana avokoa ny fandaharam-potoana voafaritra amin’ny lahadinika eny amin’ny Antenimierampirenena. Tokony hatao amin’ity herinandro ity izany saingy tsy mbola tonga eny Tsimbazaza ireo lalàna sasany avy eny amin’ny Antenimierandoholona. Efa tokony nodinihin’ireo depiote ny herinandro teo anefa izany.
Nanolotra dabilio miisa 100 ho an’ny EPP any amin’ny kaominina Marofody sy Tsaravary, Mananjary ny herinandro teo ny loholona, Rabemananjara Nicolas. “Hitsinjovana ny mpianatra sy ho fanatanterahana ny vinan’ny filoha izao”, hoy izy. Niara-niasa tamin’izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny avy amin’ny minisitera’ny Serasera.