Hafatra Pantekoty – FFKM : “Aoka tsy handainga fa ampanjaka ny marina”

Nampita hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FFKM, ny faran’ny herinandro teo. Eo hatrany ny fitodihan’izy ireo amin’ny raharaham-pirenena tahaka ny mahazatra rehefa manao fanambarana.

Niantso ny kristianina sy ny vahoaka malagasy ny FFKM mba tsy ho kivy manoloana izao, hasa­rotry ny fiainana izao. “Aoka hijoro ho vavolombelona eo anivon’ny ankohonana sy ny fiarahamonina ary ny firenena. Ivelomy mandrakariva ny fahamarinana sy ny fahamasinana… Tsy tokony iainantsika amin’izao Pantekoty izao ny lainga sy ny fitaka ary ny kobaka am-bava fa mba iainantsika ny fahamarinana”, hoy izy ireo. Nohitsin’ny hafatra fa manan-karena i Mada­gasikara ary tsy hoe tsy ma­nana olo-manga saingy ma­hantra olo-marina, araka ny hafatry ny FFKM hatrany.
Etsy andaniny, niantso ny vahoaka sy ny kristianina ary ny mpitondra isanam-baratongany koa ireo filoham-piangonana hampanjaka izany fahamarinana izany. Tahaka izany koa ireo mpanao politika. “Mba hampandefitra ny hambo-po politika ka hijery ny tombon­tsoan’ny vahoaka sy ny fire­nena”, hoy ihany ny fanambarana. Notakian’ny FFKM va­haolana maharitra sy hatrany ifotony koa anefa ny fiainana andavanandron’ny vahoaka. Anisan’izany ny olan’ny mpianatra, ny fianakaviana ary koa ireo sehatry ny fihariana samihafa.

Hiady amin’ny fahalovana…

Notsiahivin’ny hafatra Pan­tekoty fa efa mandray ny an­draikitra tandrify azy amin’ny alalan’ireo sampanasa eo aminy eo ambany fitarihan’ ireo filoham-piangonana ny FFKM. Niaiky anefa izy ireo fa tsy vita izany raha tsy miaraka mandray andraikitra ny va­hoaka malagasy. Nanentana ny rehetra tsy handeha araka ny nofo fa hanohitra ny fijangajangana sy ny fifamonoana ary koa ny herisetra ireto raiamandreny ara-panahy ireto. Nentanin’ny FFKM koa ny tsirairay hiady amin’izao fahapotehan’ny tontolo iainana sy ny fahalovana, mamotika ny hasina maha olona.

Synèse R.

Partager sur: