Efa mivolon’andro fety ny tanàna. Mifanitsa-kitro ny mpivarotra mpaka entana aparitaka any ivelan’ny Renivohitra. Mirantiranty ny karazana arendrina. Milanjalanja sainam-pirenena ny mpivarotra. Ireo karazan-kilalao manamarika ny fetin’ny 26 jona… tsy mbola tsikaritra kosa ny saina mipetraka isan-tokantrano.
Mampihetsika ny karazan’aretina maro ny hatsiaka. Miaro vatana, manao mafana, misotro rano mafana, mihinana sakafo mafana… Ilaina ny mampiakatra ny hery fiarovana amin’ny fihinanana voankazo ary sakafo maro loko miovaova na ireo vitamina ihany koa. Fotoana ihetsehan’ny sohika sy ny vanin-taona mangotsoka mihitsy izao.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ny hanohizana ny iraka ara-pahasalamana tanterahin’ny sambo hopitaly Mercy Ships ho an’ny taona 2026. Mbola maro ireo mila fandidiana miandrandra ny fandraisana an-tanana ataon’ireo dokotera sy ny ekipa ao amin’ity sambo hopitaly ity.
Nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo, nankatoavina ny fandoavana ireo tambin-karama amin’ireo asa mifandraika amin’ny fanadinam-panjakana, izay iandraiketan’ny minisitera amin’ny alalan’ny mobile money. Hanala ny fahasahiranan’ireo mpiasan’ ny fanabeazana indrindra ireo mipetraka alavitry ny renivohitra izany.