“Aminay, ny fijerena ny rafitra no zava-dehibe. Matoa tafavoaka aty ivelany izany tolo-dalàna izany, avy anatiny no nisy fivoahany. Ny rafitra sy ny lalàna eto amintsika no heverinay hoe lasa mampiady ka tokony hohatsaraina”. Izay ny fanehoan-kevitry ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena tamin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, i Namearison Robert, tany Morondava, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny disadisa eo amin’ny Antenimierandoholona sy ny Ceni. Mila jerena ny fomba sy ny dingana: ahoana raha manao tolo-
dalàna na volavolan-dalàna? Izay no mila mazava amin’ny besinimaro. Rafi-panjakana roa no lasa miady. Ny amin’ny fomba sy dingana no mampiady. Manana fitsipika manokana ny amin’ny maha vaomiera mahaleo tena azy ny Ceni. Heverina fa rariny raha miteny izy hoe raha ny fahitany azy fa tsy ara-dalàna ny fitoriana ny mpikambana ao aminy nolazainy fa nahazo tsodrano avy aminy. Manan-jo hitondra fitoriana koa ny parlemantera. Ny rafitra eto Madagasikara no mila hatsaraina.
“Ny zavatra toy izao: na miravona aza, tsy maintsy misy ihany ny romoromo na any amin’ny andaniny na any amin’ny ankilany. Tsy mahasoa ny firenena izany”, hoy izy. Miantso fifampiresahana sy fisokafana ho amin’ny fifampidinihana sy fametrahana lalàna tokana hahazoana ny fandraisana anjara rehetra voakasiky ny fifidianana izy. Raha hanova, aoka mba hanaraka ambaratonga: alaina ny hevitr’ireo rehetra voakasiky ny fifidianana manerana an’i Madagasikara. Izay no hatambatra mba hanana fifidianana matotra sy hoeken’ny rehetra.
R. Nd.