Efa tonga eto Madagasikara ny manam-pahaizana manokana momba ny fampianarana teny anglisy, Pamela Johnson, araka ny fampahafantarana nataon’ny masoivoho amerikanina. Hitondra tan-tsoroka amin’ny fampianarana teny anglisy ireo mpitandro filaminana izy mandritra ny fandalovany eto. Hiara-hiasa akaiky amin’ny polisim-pirenena malagasy sy ny zandarimariam-pirenena ny tenany.
Hitondra fijery sy fandaharam-pianarana teny anglisy vaovao natokana ho an’nireo mpitandro filaminana ity fiofanana entiny ity. Hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana teny anglisy ihany koa no sady hanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.
Misy ny fiaraha-miasan’ny departemantam-panjakana amerikanina izay namatsy vola sy ny English language teachers’ association (ELTA). Roa andro no hanofanana ireo mpampiofana voafantina avy amin’ny sekoly ambony mampiofana polisy (ENSP) eny Ivato sy ny sekoly ambony mampiofana ho zandary (ESGN) any Moramanga.
Tatiana A