Sakafo ara-pahasalamana; Zo fototra sy fanamby ho an’ny fampandrosoana

Miantoka ny famokaran’ ny tsirairay sy fampandrosoana ny toekarena ny fisitrahana sakafo ara-kalitao. Ma­na­ra-maso ny lalam-pamokarana sy ny fitehirizana izany ny siansa hiantohana ny vokatra maharitra ho an’ny tombontsoa ny mpanjifa.

Antoka ho an’ny fivelomantsika ny sakafo madio, ara-kalitao sy ara-pahasalamana. Manampy amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fisian’izany noho izy manana andraikitra goa­vana amin’ny fampiodinana
ny toekarena sy ny fiainana andavanandro. Antony indrindra nankalazan’i Madagasi­kara ny Andro iraisam-pire­nena ho an’ny fiantohana ara-pahasalamana ny sakafo teny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto An­tana­narivo (CCIA) etsy Anta­na­ni­narenina, ny sabotsy teo. Loha­hevitra tamin’ity taona ity ny hoe: “Ny andraikitry ny siansa eo amin’ny fiantohana ara-pahasalamana ny sakafo”, izay nanokafana adihevitra niarahana tamin’ireo manam-pahaizana, mpikaroka sy mpandraharaha misehatra amin’ny sakafo sy ny famokarana. Nandray anjara tamin’ izany ny kaomity nasionalin’ny Codex Alimentarus, tohanan’ ny FAO, ny fikambanana ma­neran-tany ho an’ny fahasalamana (OMS) ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. “Manan-danja amin’ny fiainanan’ny olombelona tsirairay ny fahasalamana ka ahafahana miasa sy miatrika ny asa aman-draharaha ary mana­tratra ny tanjona iombonana amin’ny fampandrosoana”, hoy ny minisitry ny Fam­piroboroboroboana ny Indos­tria sy ny varotra, Ralambo­firinga David, nandritra ny lahateniny. Araka izany, mifanaraka amin’ny kalitao sy ny fenitra takina ho an’ny tombontsoa iraisana ny tetikasa rehetra apetraky ny minisitera. “Misy ny paikady maharitra mifandraika amin’ny politikam-panjakana”, hoy ny fanazavany.

Fikarohana

Azo antoka sy ara-pahasalamana ny sakafo iray rehefa voamarina sy voatily fa mifanaraka amin’ireo fepetra takina ny famokarana sy ny fanodinana ary ny fitehirizana azy. Manana andraikitra goavana ny siansa hiantohana ara-pahasalamana ny sakafo ao anatin’ny lalam-pamokarana. Andraikitry ny “Codex alimentarus” kosa ny manara-maso ny kalitao sy ny fenitry ny sakafo hanamorana ny fidirany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, sy ahafahan’ny mpanjifa misitraka izany. Miara-mientana amin’ny minisitera izy mametraka ny arofanina ahafahana manentana ny olona mba hizotra amin’ny fanarahana ny kalitaon’ny sakafo

itsinjovana ny fahasalaman’ny daholobe.

Marihina fa miisa 189 ny firenena mpikambana eo anivon’ny Codex alimentarus, ao anatin’izany hatramin’ny taona 1966 i Madagasikara.
Ankoatra izay, manohy ny fisafoana sy fisavana ireo entana sy vokatra amidy eny an-tsena ihany koa ny minisitera hiantohana ny kalitaon’izy ireny.
Adidiny ny manentana ny rehetra hanaja ny fenitry ny sakafo noho izy zo fototra tokony hananan’ny tsirairay. Noha­mafisin’ny minisitra fa mian­toka ny fidiram-bolan’ireo mpivarotra sakafo amoron-dalana ny tsena ataony sady miantoka ny fampandrosoana ny toekarena sy ny famokaran’ny mpan­jifa.

Mpiara-miombon’antoka

Miara-misalahy ao anatin’ ny fandaharana sy ny tetikasam-pamokarana sakafo ara-kalitao ny OMS sy ny firaisamonim-pirenena ary ireo mpisehatra samihafa ho an’ny fampandrosoana ny firenena. “Hiara-dalana amin’ny governemanta hatrany izahay sy hametraka ireo paikady ma­homby ahatrarana ny tanjona iraisana. Manohana ny hetsika atao ny siansa sy ny fikarohana hahatanteraka ny teti­kasa”, hoy ny solontenan’ny OMS. Hisy, araka izany, ny hetsika atao any Mahajanga ny 10 sy 11 jona, raha mandritra ny herinandro ho avy kosa ny eto an-drenivohitra. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fitsidihana orinasa mpamokatra sakafo, ny fanentana atao eny anivon’ny oniversite sy mpivarotra hani-masaka ary eny amin’ireo “restaurants”. Tan­jona ny hampahafantatra ny rehetra ny vokatsoa azo amin’ ny fitandroana ny fahadiovan’ ny sakafo sy hanajana ny kalitao ho an’ny besinimaro.

Henintsoa

Partager sur: