“Tapôlaka Glady”: Nanamafy indray ny lazany i Rossy

“Glady”, araka ny heviny. Tsy nitovy endrika tamin’ny taloha, saingy niavaka kokoa ny “Tapôlakaglady”, omaly. Noporofoin’i Rossy fa mbola mitoetra ny lazany, ary manjohy azy hatrany ireo mpankafy.

Niakatra sehatra i Bo­hery… Izay mpanaraka ny tarika Rossy dia efa mahalala fa kabary no manokatra ny seho amin’ny fomba ofisialy. Tsy kabary mahamonaina fa kabary mampitolagaga, ohatran’ny fanaon-dRa­milison Besigara, ray am-panahy iray ho an’i Rossy. Nanaraka avy eo ny feon-kira “Na dia lavitra”, izay nampiditra voalohany ilay seho nomamina ela. “Tapôlaka Glady”, notontosaina omaly, tetsy amin’ny Coliseum Antson­jombe. Seho izay nametrahan’i Rossy koa fa mbola manana ny toerany eo amin’ny tsenan’ ny mozika, ary manana hatrany ireo mpankafy mpanaraka azy ity andrezin’ny kanto ity. Tsy nitovy tamin’ny “Tapôlaka Glady” taloha, saingy endrika hafa, nivoatra nanaraka ny rivotry ny teknolojia, ary izay no tena naha “glady” ny seho. Sehatra goavambe, efijery misandrahaka, fanamafisam-peo tokony ho raitra, saingy nisy indro kely… Fa indro kely tsy nahasakana ny fiboiboikan’ny kanto nivoaka tao anatin’ny Rossy sy ny ekipany.
“Mbarakaly”. Izay niaina ny vanim-potoana nivoahan’io hira io sy ny “Tapôlakaglady” voalohany dia nahatsiaro ny soradihin’ny Itsingory. Mbola tazana an-tsehatra izy ireo, an-taonany maro taty aoriana. Taorian’izany, iny koa ry Luc Rehava, Up The Rap, ry Naina mpandihy mahatoky hatramin’izay, mbola nanaraka an’i Rossy teo. Teo an-tsisiny teo, tsikaritra koa ry Solo, tery an-kilany ry Josephine… Tarika Rossy taloha, nampian’ireo “zanak’i Rossy” taty afara. Tsy hadinony ny nampiakatra ny Jomak’Ampama, izay loharano nipoirana koa ho an’i Rossy. Nanakoako ny sôvan’Antananarivo, izay efa noentin’ny tarika tamin’ny sehatra avo sy iraisam-pirenena.
“Ikalasoa”, “Hafatra”, “Mbola ho avy”, “Mahatsiaro”, “Bal kabaosy”, sns. Hira nanamarika vanim-potoana avokoa ireo, nanamafisan’i Rossy fa mitoetra hatrany ny sanganasany. Na kely na lehibe, tafaraka samy mpankafy tao Antsonjombe. Samy manana izay hira niainany, satria na ireo relijiozy aza tazana nilatsi-tsandry nandritra ny nanaovan’i Rossy ireo hira katolika sy ireo mihetsika rehetra.
“Roahy fa hariva”. Nano­mana an’ireo mpankafy io hira io fa efa hifarana ny seho. Vetivety ho an’ireo tafiditra, kanefa efa tsara homana ela ho an’ny tarika Rossy. Fa­nomezana fotoana manaraka ihany koa, satria tsy farany iny fa dingana goavana iray. Oviana?

Zo ny Aina

Partager sur: