Manana toeram-pambolen-kazo honko ao Malako, fokontany Ambolobozo, kaominina Ambodimadiro ao Antsohihy ny orinasa Bôndy. Miisa 100 ny tanimboly, (mahazaka zanakazo 800 tsirairay), amin’ireo 600 natao any amin’ny faritra Sofia ho an’ny taona 2025.
Maro ny karazana honko ambolena, toy ny honko lahy, ny honko vavy, ny tsitolomina, ny afiafy, sns. Nohazavain-dRandriamihaja Ferdinand, teknisianin’ny honko ao amin’ny Bôndy any Antsohihy, fa tsy afa-misaraka amin’ny rohivoahary amin’ny ala honko ny zava-mananaina sy ny toerana misy azy. Mampihena ny hazandrano miaina ao anatiny, toy ny drakaka sy akamba ny faharinganan’ny ala honko. Nanamafy izany i Behanarina Huyghens, lehiben’ny tetikasan’ny Bôndy any Antsohihy, « maro ny tsindry amin’ny ala honko, toy ny fanapahana azy hanaovana saribao, fanaka, trano fonenana, sns. Manodidina ny 150 gony isan’andro ny saribao any Antsohihy. Izany no nahatonga ny Bôndy nanao ny tetikasa Ma Honko, hanarenana ny ala honko any amin’ny distrika Antsohihy, Analalava ary Port Bergé. Mahakasika kaominina 10, tanàna 57. Tanjona ny hambolena hazo honko miisa 10 000 ao anatin’ny 5 taona, ka 6 500 zanakazo isaky ny hekitara.
Naniry ny 95%
Mihazakazaka ny asa ataon’ny Bôndy. Toy ny fambolena any Ambinanibe, kaominina Ankerika, tsy lavitra ny toerana famokarana zanakazo any Malako Antsohihy. Mirefy 48 ha ny ala honko potika hatrany amin’ny 80 %. Nanomboka ny avrily 2024 ny fanarenana efa voavoly zanaka honko. Nambaran’i Behanarina Huyghens fa nahatratra 95% ny zanakazo naniry, nataon’ny mponina avy any Ambiky Ankerika sy Ambalakidy Antsohihy niaraka tamin’ny Bôndy. Entanina koa ny mponina mba tsy hanapaka ny hazo honko intsony. Anisan’ny fangatahan’izy ireo ny famatsiana fitaovam-panjonoana. Misy ny mangataka hazo haingam-pitombo hambolena any an-tanety, hanamboarana saribao. Eo koa ny hanampiana amin’ny fambolena sy fiompiana. Nilaza i Christophe mpamokatra zanakazo any Malako, fa « resy lahatra izahay fa hahazoana tombony tokoa ny famerenana amin’ny laoniny ny ala honko, sady manatsara ny velon-tenanay ».
Njaka Andriantefiarinesy