Tsy fandriampahalemana. fidangan’ny vidim-piainana, fahatapahan-jiro sy rano… Ireo no olan’ny vahoaka ifotony amin’izao. Tsy misy afa-tsy fahasahiranana? Na izay no tena mibahan-toerana, tsy takona afenina, tsaroan’ny aina… Aiza izay vahaolana? Manao izay efany sy afany ny fitondrana. Eo ny vahoaka miaina sy mitsara: efa misy fihatsaram-piainana amin’ny fahasahiranana? Amin’izany, miandry kendry tohina ny mpanohitra. Izay no antom-pisiany? Mikoho-maina aza atao… Tsy misy inona mandeha, hono, amin’izao, fadiranovana ny vahoaka, tra-doza ny firenena… Tsy misy manolotra vahaolana: inona no hataony raha azony ny fanjakana iadiany fo andro aman’alina? Farafaharatsiny, hanarenana ny fiainam-bahoaka ao anaty fahasahiranana. Tena misy ny fitsinjovana vahoaka? Na manome vahana sy tombondahiny ny mpitondra raha manolotra vahaolana…
Ny hahazo fanjakana ihany no zava-dehibe sy mahamaika ary imasoan’ny mpanohitra? Sanatria, toa zaran’ ny sasany latsaka an-katerena ny firenena ary ao anaty fahasahiranana lalina aza ny vahoaka? Amin’izay, miharihary ny hoe tsy fahombiazan’ny mpitondra, voamarina sy mety hoekena kokoa ny fanaratsiana sy fanakiviana. Tsy vitan’izany, ho mora sy ho haingana ary mandaitra kokoa ny fandranitana vahoaka, famendrofendroana, fitaomana azy hidina an-dalambe… Efa mby amin’izany izao ny sasany mampiaka-peo lava, matavy filaza… Zo ny mitaky, fomba fiady, tsy misy manohitra an’izany… Anjaran’ny vahoaka ny manapa-kevitra amin’izay (h)ataony tsy misy fanerena. Na izany aza, hahavaha olana ve ny fikorontanana, ny fandravana, ny tsy fifampiresahana amin’ny fanaovana bontolo… ? Vahaolana (no) tadiavina fa tsy olana hanampy trotraka ny efa fahasahiranana.
R. Nd.