Airtel-UVVT : Toe-tsaina mandala ny tontolo iainana

Nikarakara hetsika manokana, «Escape Game-Save the Earth», ny orinasa Airtel sy ny fikambanana klioba «Unis vers Vintsy Tanà» (UVVT), ny 5 jona teo. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME). Nifantoka tamin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mpiasan’ny Airtel, miompana amin’ny fitantanana ny fako plastika, ny fiarovana ny zavamananaina ary ny andraikitra raisina hiarovana ny tontolo iainana izany.
Nohamafisin’ny Airtel ny maha orinasa tomponandraikitra (RSE) azy, hametrahana fampandrosoana maharitra. Nambaran’ny tale jeneraly (DG), Anne Cathérine Tchokonte, fa «tsy miova ny fahavononany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mifandraika amin’ny fisafidianana ny fitaovana teknolojia ampiasaina sy ny fiasa isan’andro izany. Mba hisian’ny tontolo maharitra, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpiara-miasa sy ny tanora malagasy, hananana fitondran-tena sy toe-tsaina manaja ny tontolo iainana. Hotohizana hatrany izany lalan-tsaina izany amin’ireo asa stratejika rehetra ataon’ny orinasa».

Njaka A.

Partager sur: