Nankalazaina, omaly, teny amin’ny MBC Ivato, ny Andro maneran-tany ho an’ny asa tanana (JMA). Lohahevitra noraisina ny hoe, «andao hifanome tanana, hanandratra ny fahaiza-manao malagasy».
Nohamafisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Dewa Viviane, fa «ny asa tanana dia mihoatra lavitra noho ny asa fivelomana fotsiny. Vakoka ara-kolontsaina ho an’ny firenena, sady fanoitra iorenan’ny fampandrosoana maharitra. Maneho tantara, dia ny tantaran’ny faritra niaviany, ny fomban-drazana sy ny fahaizan’ireo manao azy…».
Nasongadin’ny minisitra Dewa Viviane, fa nitentina 38 tapitrisa euros ny fanondranana taozavatra malagasy nankany ivelany, ny taona 2024, raha toa ka 17 tapitrisa euros izany ny taona 2019. Manodidina ny 18,10% eo ho eo ny salanisan’ny fitomboana isan-taona.
Fifanarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka
Miisa 400 ny karatra matihanina nozaraina ho an’ny mpanao asa tanana. Nisy koa ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Atlantique Group (ATTA), ho fampindramam-bola ny mpanao asa tanana amin’ny zanabola ambany. Ny fanisana ny mpanao taozavatra sy fanohanana fiantohana iarahana amin’ny orinasa IBG. Teo koa ny fiaraha-miasa amin’ ny orinasa Lenka ho fampiofanana ao amin’ny Akany moana sy marenina (Akama).
Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’i Talel Shamim, toniziana manam-pahaizana amin’ny asa tanana. Nizara ny ho avin’ny asa tanana malagasy kosa i Kajaly Audace, tale jeneralin’ny Asa tanana ao amin’ny MTA.
Njaka Andriantefiarinesy