Olona efatra namoy ny ainy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pantekoty lasa teo, raha ny tatitra voaray avy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, omaly. Matin’ny lozam-pifamoivoizana teo am-pitondrana moto ny roa tamin’izy ireo, raha ny tatitry ny polisim-pirenena.
“Nihena io salanisa io raha oharina ny tamin’ny taon-dasa satria dimy izany ny taona 2024”, hoy i Mamitiana Judicael, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny HJRA. Matin’ny aretina antsoina hoe: «rupture d’anévrysme» ny iray tamin’ireo. Matin’ny «AVC hémorragique» ny iray hafa. Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamovoizana ny roa hafa. Nahatratra 259 ireo olona tonga nanatona ny toeram-pitsaboana. 245 ny teo anivon’ny sampana vonjitaitra, 14 tao amin’ny sampana fameloman’aina. Tsy maintsy naiditra hopitaly ny 50 tamin’
izy ireo, raha ny tatitra voaray hatrany. Lehilahy iray hafa tsy nahatsiaro tena vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola. Olona telo nikasa hamono tena ny alahadin’ny Pantekoty, izay vehivavy iray sy lehilahy roa. Raha efatra: lehilahy telo sy vehivavy iray izany, ny alatsinain’ny pantekoty. Zazakely iray tratran’ny aretim-pivalanana noho ny fanapoizinana ara-tsakafo nandritra ny fety. Tamin’ireo olona roa matin’ny lozam-pifamoivoizana, Moto roa samihafa tra-doza tetsy Maroroho Tsimbazaza sy Ambohimahitsy, ny alatsinain’ny Pantekoty teo, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Direction régionale de secutité publique (DSRP) Analamanga. Nahatratra 26 ireo mpamily mamo tratra nitondra fiara sy moto. Tsy nisy kosa ny mpamily nitsoaka nanao lozam-pifamoivoizana nandritra izany. Ankoatra izay, nahatratra 28 ireo olona voasambotra teto Analamanga. Nisy ireo tratra nangalatra, mamo an-dalambe, nanakorontana…
Iray ny maty tany Toamasina
Olona iray namoy ny ainy tao amin’ny CHU Analankinina Toamasina, nandritra iny fety iny. Nahitam-pihenana ny olona tonga nanatona toeram-pitsaboana eo anivon’ny sampana vonjitaitra. Manodidina ny 131 izany, tsy maintsy naiditra hopitaly ny 91 tamin’izy ireo. Olona roa hafa naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Olona efatra naratra vokatry ny ady sy fanendahana, telo nianjera tao an-tokantrano. Tsy nisy ny tratran’ny fanapoizinana, tsy fahatsiarovan-tena noho ny toaka ary ny fikasana hamono tena. Ankoatra izay, nitandrina ireo mpitondra moto sy fiara teny an-dalana. Hentitra ihany koa ny mpitandro filaminana tamin’ny fisavana ny mpamily.
Mino