Famahana ny olan’ny fananan-tany: Mitohy ny fametrahana ny BSFI eny amin’ny distrika

Mitohy ny fametrahana ny Birao solontenan’ny fananan-tany iraisana « BSFI » eny ifotony. Ezahin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana (MFFT) hapetraka amin’ireo distrika manerana ny Nosy izany.

Anisan’ny nisitraka izany ny ao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay, faritra Bongolava. Natao hisahana ny kaominina Tsinjoarivo, Ambararatabe, Mahasolo, Maritampona, Maroharona koa ny BSFI ao an-toerana.
“Natao hanamorana ny fangatahana ny taratasin-tany sy ho ivontoerana mampahafantatra ny toromarika rehetra momba ny fananan-tany, hisorohana ny ady tany ny birao”, hoy ny tomponandraikitra ta­min’ny fametrahana ny BSFI, ny herinandro teo. Nambaran’ izy ireo fa fanavaozana ma­metraka fitantanana mandray andraikitra sy manakaiky va­hoaka no atao. Tsy vitan’izany koa fa mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana ho an’ ny fampandrosoana ny faritra eto Madagasikara izao ezaka izao.

Fizarana karatany

Ankoatra izay, nisy koa ny fizarana karatany miisa 1 200 ho an’ireo mponina. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa Casef sy noho ny finiavana manokana nataon’ny kaominina izany. Teo koa ny fanolorana fitaovana ho an’ny birao Cirdoma sy Cirtopo tao amin’ny kaominina Arivonima­mo, niarahana tamin’ny Tahi­rimbola nasionaly ho an’ny fananan-tany “Fond national foncier -FNF”. Nitarika ny fa­metrahana ny BSFI tany an-toerana ny tale jeneralin’ny fananantany sy fandrefesan-tany eo anivon’ny MFFT. Na­trehin’ireo manampahefana maro isan-tsokajiny.

Synèse R.

Partager sur: