FANTINA sy FINTINA

Nitondra fanazavana momba ny fivoriana nikaton-trano, omaly, teny Tsimbazaza, ny depiote Gascar Fenosoa. Nambarany fa misy amin’ireo mpanolotsaina teknikan’ireo solombavambahoaka no tsy mbola nandray karama. “Noresahinay tamin’ny minisitra izany ka tsy mi­tombina ny filazana fa resaka tombontsoa manokana no niadianay tao”, hoy izy.
Niova ny fizotry ny fivorian’ireo loholona rehefa nolaniana omaly, ny fandaharam-potoana. Tapaka fa handraisana fanapahan-kevitra ny 18 jona izao ny famokarana sy ny famarotana ny toaka gasy. Tsy miova kosa fa hanapahana hevitra ny alakamisy izao ny fomba sy fepetra ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka.
Natolotra ny kaominina Talata Volonondry, omaly, ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro “lampadaires solaires” sy ny fanamiana ho an’ireo polisy monisipaly eny an-toerana. Teo koa ny fizahana maso maimaimpoana. Niarahana tamin’ny depioten’Avaradra­no, Andriamosasoa Avotra izany.
Ben’ny tanàna sy lehiben’ny CSB avy amin’ny kaominina miisa 33, mandrafitra ny distrikan’i Farafan­gana, no nisitraka fampiofanana ny herinandro teo. Nam­pahafantarina sy nohazavaina tamin’izy ireo ny momba ny famatsiam-bola sy ny tanjona hotratrarina ao anatin’ny herintaona eo amin’ny sehatry ny tobim-pahasalamana sy ny fampihodinana izany.

Partager sur: