Fikambanana Imianta: Hatsangana ny vala fanaovana savika

Nivoitra nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny fikambanana Imianta, izay ivondronan’ireo terak’Imady, fa hatsangana eny amin’ny kaominina Bongatsara ny vala fanaovana savika.
Io no anisan’ny fotodrafitrasa hapetraka amin’ilay tany mirefy 2ha, hanandratana ny kolontsain’Imady. Hatsangana koa ny ivontoeram-piofanana mamboly sy miompy izay hisokatra ho an’ny rehetra hanajariana ny toerana.
Manodidina ny 2 000 tokantrano, misy olona 20 000, ny mpikambana ao anatin’ity fikambanan’ny terak’Imady milaravinahitra eto Antananarivo ity.
Hosantarina amin’ny taona ho avy, hanamarihina ny faha-35 taona (1 jona 1991) nijoroan’ny fikambanana ireo fotodrafitrasa kasaina hatsangana ireo.
Ny alatsinain’ny Pantekosta teo ireo mpikambana no nametraka ny vato andrin’ny firaisankina sy tandindon’ny fifankatiavan’ny mpikambana teo amin’ny tany novidian’izy ireo. Ankoatra izany, hohamaitsoana ihany koa ny toerana ka hamboly hazo eny ny fikambanana.

Tatiana A

Partager sur: