Nosokafana omaly ny «Hadimiana Sandratra». Hetsika iray karakarain’ny Faribolana Sandratra, entina mampitia sy maneho ny hakanton’ny teny malagasy izy ity. Araka ny anarany, anatin’ny 5 andro no hanaovana izany, ao amin’ny Tranombokim-pirenena, Efitrano Dox.
“Ny teny malagasy no akora hoenti-mampandroso. Manana ny fanahiny ity teny malagasintsika ity, ary na hatrany am-bohoka aza. 80% ny Malagasy mampiasa ny teny malagasy nefa mahagaga fa teny frantsay no anaovana fandaharam-pianarana. Raha Mbola tsy amin’ny teny malagasy ny hampianarana ny zaza malagasy dia toy ny voninkazo volena amin’ny tavy ka tsy antenaina hahitana vokatra. Efa misy 20 mahery ny dikanteny amin’ny fitenim-paritra hampahafantarina eny amin’ny Akademia Malagasy rahampitso tolakandro”, hoy i Nalisoa Ravalitera, filoha lefitry ny Akademia Malagasy, tale jeneralin’ny Foibe momba ny Teny, mpampianatra mpikaroka, poeta, mpanoratra ary anisan’ny nanorina ny Faribolana Sandratra.
Ankoatra ny fiantsana tononkalo sy ny seho ara-javakanto, nitantara ny momba ny Faribolana Sandratra i Tsitohery, rehefa avy notoloran-dRanoë ny fanilo amin’ny hitarihany ny faribolana atsy ho atsy. Nitsidika ireo fafana marobe, mampahafantatra ny mombamomba ireo sampanan’ny Faribolana Sandratra, ireo nanotrona ny lanonana, taorian’izay.
Hitohy anio, amin’ny varotra fampirantiana ireo boky nosoratan’ny mpikambana ny hetsika. Ny tolakandro kosa, hisy ny velakevitra iarahana amin’i Rado Ramaherison, poeta mitady ny very. Ny 12 jona no hiaina tantara an’onjam-peo an-tsehatra ireo mpankafy izany, hovelomin’i Niravo, Sylvia Randrianatoandro, Zo Maminirina, Nofy ary i Mampandriniaina Manitra.
Zo ny Aina