Hira sy finoana : Hitety faritra ny tarika Salve

Manabe voho ny finoana katolika amin’ny alalan’ny mozika. Tarika Salve, hanatanteraka fitetezam-paritra, manomboka amin’ity volana jona ity. Ny 22 jona izao, ao amin’ny fiangonana Md Augustin, Ambatondrazaka (distrikan’Ampa­rafaravola). Hitohy ny 15 jolay hatramin’ny 15 aogositra ny fitetezana ireo fiangonana ao amin’io distrika io, izay hosantarina any Ambaiboho. Eo amin’ny 20 ireo mpikambana anivon’ny Groupe Salve. Ao ny laika, ny mpitondra fivavahana toy ny masera, anisan’ireo mandray anjara mavitrika amin’ny lafiny fihirana.
Ny 22 oktobra 2017 no nitsiry tamin’ireo tanora maromaro nonina tao amin’ny faritra Md Eli, paroasy Md Piera Malaza Andoharanofotsy, renivohitry ny distrika, ny hanana tarika. Teraka teo ny Groupe Salve. Tsy eto Antananarivo ihany no misy azy io fa any amin’ny faritra ihany koa. Nandray fiofanana tamin’ireo mpikambana avy eto Analamanga izy ireo. Milalao gadona samihafa ny Salve (Gospel, hiragasy, slow, valse, salegy, tsapiky, bagasy, sns).
Afaka manafana sehatra maro (lanonana, fandraisana sakramenta…) rahateo ny tarika.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: