Hoavin’ny Barea- « Cosafa 2025 »: Hiankina amin’ny lalaon’i Tanzanie sy i Eswatini

Hotanterahina anio, any Afrika Atsimo, ny andro fahatelon’ny vondrona C, izay hi­haonan’i Eswatini sy i Tanza­nie. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra Atsimon’i Afrika, “Cosa­fa 2025 ». Hiankina tanteraka amin’io ny dian’ny Barea de Madagascar. Raha mandresy amin’ny isa mihoatra ny roa i Eswatini, izy ireo no tafita any amin’ny manasa-dalana.
Raha i Tanzania, mahita vokatra tsara, na manao ady sahala amin’i Eswatini, tafakatra manohy ny fifanintsanana ny ekipa nasionaly malagasy. Tsiahivina fa mitana ny laharana voalohany vonjimaika, ny Barea A’, izay manana isa 4. Nandresy an’i Tanzania, 1 no ho 0, ny Malagasy mpilalao, teo amin’ny andro voalohany. Ady sahala 1 no ho 1, tamin’i Eswatini, ny andro faharoa.
Fotoana iray ahafahan-dRakotondrabe Romuald Felix, na Coach Rôrô, mpanazatra ny Barea A’, mijery ny lesoka sy ny mpilalao hoentina miatrika ny Chan 2024, ity Cosafa ity. Etsy ankilany, mametraka fa­namby ny handrombaka ny amboaran’ny Cosafa, voalohany ho an’i Ma­dagasikara, ity Ma­­lagasy teknisianina ity. Ma­rihina fa ao­rian’ity Cosafa ity vao hitohy ny fifaninanam-pirenena “World Cola PFL”, raha tsy misy ny fiovana.

F.R

Partager sur: