Jono tsy ara-dalàna: teratany Srilankais valo voasambotra

Tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ny sambo nentina teratany srilankais miisa valo. Sarona niaraka tamin’izy ireo ny antsantsa milanja 16 taonina.

Fahombiazana. Sarona tao avaratr’i Cap St André (Tanjona Vila­matsa), faritra Boeny, ny sambo vahiny iray mitondra ny anarana «Ruth Baba 6», ny herinandro teo, nandritra ny fisafoana nataon’ny sambo mpanara-maso ny jono «An­tsantsa» aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Tra-tehaka nandritra ny fisavana natao an’io sambo nentina teratany vahiny Srilankais miisa valo io, ireo antsantsa maherin’ny 16 t. Hazandrano lena ny 12 t tamin’ireo vokatra raha maina sy vombony kosa ny ambiny. «Tratra tany amin’ny 120 km miala ny morontsirak’i Madagasikara io sambo io ka nogiazana. Nentina namonjy an’i Mahajanga avy hatrany ireo tantsambo sy ny sambo nanokafana fanadihadiana», hoy ny inspecteur de pêche, Sahory Olivier. Enje­hina noho ny tsy fanarahan-dalàna ireo teratany vahiny ireo. Manampy izany ny tsy fananany fahazoan-dalana hanjono aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Mbola hanenjehana ireo teratany srilankais ireo koa ny tsy fahafahan’ny sambo manjono «au large» ary ny fihazan’izy ireo ny antsantsa, izay biby arovana eto amintsika, raha ny fanazavana hatrany.

Fanamby
Andraikitry ny ivontoerana mpanara-maso ny jono (CSP) ny miady sy mamongotra ny jono tsy manara-dalàna sy tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN). Ahitana sivily ireo mpikambana ao amin’ny CSP, toy ireo «ins­pec­teur de pêche» avy eto Madagasikara sy kaomoro. Nahitana mpitandro filaminana avy amin’ny Tafika an-dranomasina kosa ireo nanamory ny sambo mpanara-maso ny jono “Antsantsa” nandritra ny iraka natao.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny iraka isam-paritra faha-65 nataon’ny sambo mpanara-maso ny jono aty amin’ny fari-dranomasin’i Ma­dagasikara sy ny Nosy Kao­moro (zones exclusives), ny 28 mey ka hatramin’ny 8 jona teo, no nahazoana ny vokatra. Nahafahana nanatanteraka ny iraka isam-paritra natao ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), tamin’ny alalan’ny Drafitra isam-paritra ny fanaraha-maso ny jono (PRSP) sy ny tetikasa Ecofish vatsian’ ny Vondrona eoropeanina (UE). Tsiahivina fa efa nisy sambo srilankais miisa roa hafa sy sambo kenyanina iray ihany koa sarona ny taona 2024 nan­dritra ny iraka faha-62 natao. Mitohy hatrany ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna.

Henintsoa

Partager sur: