Nifarana ny sabotsy teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fampivondronana farany ireo atleta, nenti-nitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Cadet, Junior, Seinior kata &Kumite) hatao any Nigeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. Taorian’ny fikaonandohan’ny tomponandraikitra misahana ny teknika eo anivon’ny federasionina, nivoaka ny lisitry ny mpikatroka voatsonga hiatrika izany. Nankinina tanteraka tamin’ny Kaomisiona teknika ny famoahana io lisitra io. Araka izany, 17 mianadahy no hihazo an’i Nigeria hiaro ny voninahi-pirenena hiaraka amin’ny mpanazatra 3 sy mpitsara 2, tarihin’ny filohan’ny FKM. Reny mpiahy ny vehivavy mpikatroka ny sekreteram-panjakana miadidy ny Fanjarian-tsakafo, Razanamahefa Tahiana, izay nanolotra vatsin-dalana ho azy ireo.
Hiditra amin’ny fanazaran-tena mikaton-trano ireo atleta voatily ny 16 jona hatramin’ny 20 jolay izao. Mbola fifaninanana iraisam-pirenena miandry ny federasionina ihany koa ny “Open International de Tananarive”, izay hatao ny 11 hatramin’ny 13 jolay izao. Eo koa ny fifaninanana any Paris hahazoana ny tapakila amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ny 17 hatramin’ny 19 oktobra izao. Ankoatra ireo, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany U21, hatao ny 7 hatramin’ny 9 desambra izao.
Mi.Raz