Nangalatra omby : Roa lahy rotiky ny bala

Nirefodrefotra ny basy ny alin’ny alatsinain’ny pantekoty, tokony tamin’ny 12 ora, hifoha omaly talata, tao amin’ny fokontany Ambalamanasy. Roa lahy nangalatra omby miisa roa. Nilanja antsy lavalela sy lefona teny an-tanany ireo olon-dratsy, raha ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Toamasina, ny kapiteny Andriamasiarivelo Dinah Frederic. Tsy nihemotra ny zandary fa niezaka nanara-dia sy nanenjika ny mpandroba. Lavon’ny balan’ny zandary tamin’izany ireo jiolahy ireo, omaly maraina, rehefa natao hazalambo. «Mila mailo isika ankehitriny», raha ny nambaran’ ity kapiteny ity. “Mitady hiakatra vohitra ny dahalo mpangalatr’omby, tsy vitsy rahateo ny isan-tokatrano manana omby ao Ambalamanasy sy Toamasina Ambanivohitra”, hoy ihany izy. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, mbola tsy misy mitonona ho fianakavian’ireto dahalo maty voatifitra ireto. Naiditra ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitaly Be, noho izany, ny razana.

Sajo

Partager sur: