Olan’ny jiro sy rano eny Vontovorona : Nisy ny vahaolana maika napetraka

Tonga teny amin’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona, omaly maraina, ny ekipan’ny minisiteran’ny Rano sy ny minisiteran’ny Angovo ary ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nijery ifotony ny zava-misy momba ny olan’ny famatsiana jiro sy rano ao anatin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra izy ireo.

“Efa nisy ny fifampiresahana momba ny fa­­natsarana ny fa­ma­­tsiana fa manaraka dingana ny asa ka tsy nahandry izany ireo mpianatra. Nandefa taratasy teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ny fikambanan’ny mpianatra eny Vontovorona, ny zoma lasa teo. Nilaza fa manome 72 ora ny fanjakana hamahana izany izy ireo”, hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Tapaka taorian’ny dinika niarahan’ny mpianatra sy ny tomponandraikitry ny rano fa hametrahana bonbone roa misy rano eny an-toerana ha­matsy ny mpianatra. Rehefa tapaka jiro dia mijanona koa ny famokarana rano ka nametrahana «groupe électrogène» hisorohana ny tsy fandehan’ny rano. «Hojerena koa ny ka­itaon’ny rano satria efa antitra ny fantsona eny an-toerana. Efa misy tetikasa Paaep ataon’ny fanjakana ka hiroso amin’ ny tolo-bidy ny tomponandraikitra amin’ity volana jona ity ho fanatanterahana ny asa fa­natsarana ny famatsian-dra­no”, hoy ny tale jeneralin’ny rano, Mara herinirina Romuald. Momba ny jiro indray, “mandritra ny fanatanterahana ny fa­nadinana, tsy ho tapaka ny jiro manomboka amin’ny 5ora ma­raina hatramin’ny 12 ora alina. Aorian’ izay, tsy maintsy ho tapaka ny famatsiana”, hoy ny tale jeneraly lefitra tomponandraikitry ny jiro, Manda Ny Aina. Hiso­katra alohan’ny 26 jona ho avy izao koa ny toby azo avy amin’ ny masoandro eny Ambato­mirahavavy ha­nampy ny tambajotra amin’ny RN1. Ho vita amin’ny tapaky ny volana jolay ho avy izao koa ny « transformateur » ao Anta­na­narivo tapany Atsimo izay simba ka heverina hamaha ny olana amin’iny faritra iray ma­nontolo iny ary tafiditra ao i Vontovorona.

Vonjy

Partager sur: