Roa lahy nitaingina moto tra-doza teny Ravitoto, fokontany Ambatomaro, kaominina Ambatomainty, distrikan’Antananarivo V, ny alin’ny alatsinain’ny Pantekoty, tamin’ny 10 ora sy 50 minitra. Nitondra moto marika Kymco Racing, nandeha mafy avy any Amoronankona, nikasa hihazo ny fiolanana Ambohimahitsy ireo roa lahy. Nentin’ilay mpitondra mafy io kodiaran-droa io. Nidona tampoka tamin’ny “béton” izay manasaka ny lalana eo amin’ny Rocaden’ Iarivo izy ireo. Tafakatra ambony ka nidona avy hatrany tamin’ny andrin-jiro. Nipitika ireo roa lahy nitaingina ny moto. Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ny mpitondra izany. Naratra mafy kosa ilay namany. Nisoratra tamin’ny anaran’olon-kafa, izay efa niatrana teo an-toerana tamin’ny fotoan’ny loza, ilay kodiaran-droa. Nanamafy, nandritra ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana azy io lehilahy tompony io fa niaraka nisotrosotro zava-pisotro mahamamo taminy ireo roa lahy nitondra ny moto. Namoy ny ainy vokatry ny dona mafy nahazo azy ilay nitondra moto raha toa ka nentina nanaraka fitsaboana ny namany. Notanana eny anivon’ny biraon’ny zandary ilay kodiaran-droa izay potika nandritra ny lozam-pifamoivoizana.
Tsiferana R.