Rugby sokajy vehivavy – CAN 2025 : Hiady tsy ho gisitra ny Makis Ladies, anio

Hanamarika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, vehivavy, amin’ity alarobia ity, ny fihaonan’ny Makis Ladies sy ny The Cranes Ouganda. Hiady tsy ho gisitra ny roa tonta. Etsy ankilany, hifampitana hahazo ny lohany kosa ny Springboks Afrika Atsimo sy ny Liona an’i Kenya.

Hiditra amin’ny andro fa­haroa, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, sokajy vehivavy (Can 2025) ao anatin’ ny sokajy «performance». Fi­ha­onana tanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohata­penaka. Anisan’ny andrasan’ny rehetra, amin’ity anio ity, ny fifandonan’ny Makis Ladies sy ny The Cranes Ouganda. Adin’ ny samy resy. Hanana ny lanjany lehibe io lalao io satria ho gisitra izay resy eo.
Hiendrika famaranana kely, araka izany, ny fihaonan’ny roa tonta. Ekipa sambany vao hihaona izy ireo. Raha tsiahivina, ekipa vaovao ao amin’ity «performance» ity ry zareo Ougandaise. Nahavi­ta dingana goavana ry zareo vao tafakatra tao anatin’izany. Anisan’izany ny nandreseny an’i Zimbabwe teo amin’ny fa­maranana, niadiana ny tapakila hidirana aty amin’ny «performance». Ho saro-toerana izay lavo amin’ity lalao ity satria kely ny herijika hijanonana ao anatin’ny sokajy.
Manoloana izany, hiady mafy ny Makis Ladies, anio, hitady fandresena. Raha tsiahivina, ny vokatra azon’ny andaniny sy ny ankilany tamin’ny andro voalohany. Ougan­da, nomontsanin’i Afrika Atsi­mo, tamin’ny isa mavesatra 62 no ho 7. Makis Ladies indray niondrika teo anatre­han’i Kenya, 28 no ho 5.
Inoana fa efa nanitsy ireo lesoka isan-karazany ny mpanazatra ny Makis Ladies. Efa nanambara rahateo ireo mpilalao fa vonona hanarina ny fahavoazany ka haka fandresena amin’ity anio ity.
Ankoatra izay, hiady izay ho lohany ny Springboks Afri­ka Atsimo sy ny Liona an’i Kenya. Heverin’ny rehetra fa hanatombo amin’ny traikefa ananany sy ny haben’ny mpilalao mandrafitra azy ry zareo Afrikanina Tatsimo.

Tompondaka

Partager sur: