SOMBIM-BAOVAO

Hanoman-tena any Novi Sad, Serbie, mandritra ny 15 andro, ny Ankoay, sokajy lehilahy, mialoha ny hiatrehan’izy ireo ny fiadiana ny amboara maneran-tany basikety 3×3 hatao any Mongolie. Any Autriche kosa no hanao izay fanomanan-tena izay ny sokajy vehivavy.

Hotanterahina ny 28 sy 29 jona izao, eny amin’ny Kianja basikety AT2B Andraisoro, ny famaranana amin’ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”. Famaranana amin’ny sokajy 10 no hitranga mandritra io 2 andro io, ho fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B Andraisoro.

Lasan’ilay espaniola, Carlos Alcaraz, ny amboaran’ny Rolland Garros, taranja tenisy, izay natao tao France, ny alahady lasa teo. Resiny tamin’ny seta 3 no ho 2, ilay italianina, Jannik Sinner. Niady tanteraka ny fifanandrinana. Tsiahivina fa nitarika seta 2 no ho 0 i Sinner.

Norombahin’ny Seleçao Portugal, ny amboaran’ny « Ligue des Nations UEFA, 2025 », ny alahady lasa teo, tany Allemagne. Lavon’izy ireo tamin’ny fandakana « tir au but », 4 no ho 3, i Espagne. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny roa tonta nandritra ny fe-potoana ara-dalàna.

Partager sur: