TARATRY ny KANTO

Tonga omaly, eto Madagasikara, i Tiakola. Hiatrika ny seho etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy, anio. Mialoha ny anjarany, hanokatra ny seho ireo tanora nandresy tamin’ny fifaninan-kira “Horizon”. Yetoon avy eto Antananarivo, Fab’s Brownz avy any Mahajanga ary i Muamar avy any Toamasina. Ireo hirany malaza rehetra no alahatr’ity vahiny mpanakanto ity, ary betsaka ireo mpankafy azy eto, tarafina amin’ny fanjifana ny tapakila.

Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny Iomma ny Moozik. Nampahafantarina ity sehatra fanjifana mozika, anisan’ny voalohany aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ity. Nisy ny fihaonana teo amin’ireo matihanina momba ny tsenan’ny mozika maneran-tany, nandritra ny hetsika. Natao hanandratana rahateo ireo mpanakanto aty amin’ny faritra, mba hitrandraka ny tsenan’ny mozika any Eoropa, Amerika, Azia, sns, izany.

Tontosa nandritra ny faran’ny herinandro teo, ny « Festival Tsika Jiaby », tany France. Nangingina ny andro voalohany, ny zoma. Somary nitombo kosa ireo mpijery ny sabotsy, nanotrona an-dry Oladad, Mily Clément, sns. Ny alahady no tena nahavory olona, fotoana niakaran’i Erick Manana sy ry Wawa an-tsehatra. Nofaranan-dry Bodo, tarika Rebika, tarika Johary, sns, kosa ny hetsika ny alatsinainy. Marihina fa maromaro ireo mpanakanto no tsy tonga tamin’ny ora farany, noho ny antony samihafa.

Partager sur: