Tily eto Madagasikara: Vita ny lalan’ny Tily sy ny tsangambato faha-100 taona

Notokanana ny faran’ny herinandro lasa teo ny lalan’ny Tily eto Madagasikara, mi­refy 3,5 km, mampitohy an’ Ambatofotsy avaradrano amin’ny Tranombitsika Antsaha­ma­rofoza. Nanotrona ny lanonana ny tomponandraikitry ny fikambanana, Rasamoelina Herifidy sy Rakotoarimanana Tamby. Taorian’ny fitokanana, nisy ny diabe skoto nanaraka izany lalana izany, niarahan’ireo delegasionina maro samihafa avy any amin’ny faritra. Tanjon’ny hetsika ny hanentanana ny tanora amin’ny fiombonana sy ny faharetana ary ny fifanampiana hita taratra amin’ny fiainan’ny vitsika.
Rehefa tonga teny amin’ny tranombitsika, naseho voalohany ho hitan’ny mpanatrika rehetra ny tsangambaton’ny faha-100 taonan’ny Tily eto Ma­­daga­sikara. Tsangambato manamarika ny andraikitry ny fikambanana momba ny fanabeazana mifototra amin’ny fom­­ba skoto sy ny finoana kristianina.
Nanomboka ny taona 1924, fotoana niforonan’ny Tily teto Madagasikara, no ni­santarana ny famolavolana tanora olom-banona hanompo niaraka amin’ny tantsoroka ara-batana sy ara-panahy. Mizara roa ny tsangambato. Voalohany, ireo tanora marobe novolavolaina. Tsangam-bato faharoa kosa ny naranty ny faran’ny herinandro teo.
Azo ny tany teny Antsaha­marofoza, ny taona 1994, nandritra ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ny fikambanana. Napetraka ny taona 2017 ny vatofototry ny fotodrafitrasa, ny tranombitsika. Amin’ izao fotoana, manana efitrano roa lehibe ny foibe eny an-toerana: ivontoerana fanofanana Tily eto Madagasikara sy efitrano fandraisana hetsika maro samihafa.

Vonjy

Partager sur: