Unesco – « Educ’tour » : Nomen-danja ny arsiva sy ny antom-pisiany

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tantara sy ny fanabeazana ary ny hoavin’ny taranaka ny tahiry na ny arsiva. Voaporofo tamin’ny fanatanterahana ny « Educ’tour », omaly, izany.

Fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny arsiva. Notantera­hina, omaly, ny «Educ’tour». Dia fibeazana nitetezana ireo arsiva miisa 6 eto an-dRe­nivohitra. Hetsika notarihin’ny Vaomieram-pirenena mala­gasy momba ny Unesco (Com.Nat. Unesco). Fiaraha-miasa amin’ny Komitim-pirenena malagasy ho an’ny «Mémoire du monde». Noto­hanan’ny biraom-paritry ny Unesco Afrika Atsinanana.
Anisan’ny nisongadina tamin’ny «Educ’tour» ny nanomezan-danja ny arsiva ho an’ny tsiahy iraisan’ny fiarahamonina. Ny fiarovana ny fahasamihafana sy ny mampiavaka ny kolontsaina ary ny fampahatsiahivana sy fanamafisana ho an’ny taranaka aty aoriana fa ilaina amin’ny fanorenana ny hoavy ny arsiva na ny angon-tahiry. Tanora mpianatra nahatratra 50 mianadahy no nanao rodombe nanatontosa ny hetsika.
Fotoana nanasongadinan’i Manda Ravelojaona, Sekre­tera jeneralin’ny Com. Nat. Unesco fa «raha arsiva, na tahiry iray monja no tsy hita, misy ampahan’ny fiainan-janak’olombelona mihitsy no very ao anatiny». Nohama­fisiny fa ilaina ny mamelo-maso ny arsiva mba ho an’ny taranaka, satria, ao anatin’ny arsiva no ahafantarana ny tantaram-pirenena.
Tranombokim-pirenena etsy Anosy. «Centre des archives et du patrimoine de la FJKM» eny Faravohitra, ny «Musée de la photo» eny Andohalo. Niampy ny Arsiva Norvezianina (Loteranina), ny Arsivam-pirenena etsy Tsara­lalàna. Saika ahitana olana ny ankamaroany. Anisan’izany ny fahateren’ny toerana ahafahana mikirakira ireo tahiry ao aminy. Ny tsy fananana fahafahana na fahefana na fitaovana hoenti-manatanteraka ny asa tokony hikajiana ny angon-tahiry…
Ny mpianatra avy ao amin’ ny Lycée Ambohijanaka sy ny avy eny amin’ny Oniver­siten’Antananarivo (Parcours Information, documentation, archivistique et muséologie » (Idam) no niatrika ny «Educ’ tour». Hetahetan’izy ireo ny hitohizan’izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: