Hisy sa tsy hisy? Resaka fanovana governemanta no tiana hozaraina. Toa misahotakotaka tsy hita be ihany ry zalahy mpanao politika. Miketriketrika tsy hay hoe manokona inona, ho azon’ny vahoaka ho hanina? Hisy fiantraikany amin’ny andavanandrom-bahoaka ve izany sa tsia? Mety ho an’ny tombontsoa manokana ihany koa, sanatrian’ny vava?
Raha ny zava-misy iainan’ny valalabemandry amin’izao fotoana, toa tsy ho laharam-pahamehana ho azy mihitsy aloha ny fanovana olona. Ny fitadiavana izay ho harotsaka aza manahirana azy. Ilay fomba fiasa sy ny politikam-pampandrosoana hipaka any anaty vilany izao no lohalaharana. Efa izay rahateo ny tian’ny filohan’ny Repoblika ahatongavana, saingy indrisy!
Asa izay mba eritreritr’ireo sokajin’olona sasantsasany, mpanao politikan’ny kibo, fa tsy politika ho an’ny taninjanaka sy ny mpiray tanindrazana. Ny miasa indray amin’izao fotoana no hanaovana paikady maloto haongana. Misy mihitsy ny tsy mahandry tantana, manao izay hanakorontan-draha mandeha. Mifamotika an-toerana mba hahafahana miditra anatin’ilay manontolo lehibe.
Tranga maromaro no miseho amin’izao fotoana izao. Hita taratra ny fizarazarana sy ny fampizarazarana ataon’ny mpanao politika any amin’ny faritra. Misy olona tsy mahazaka ny fampandrosoana tena izy. Toa mahafaly ny mpanao politika sasany ny mahita ilay tanànany mitsipozipozy sy faralahy hatrany. Tena mivaralila noho ny fitiavan-tena ilay fanaovana politika.
Tsy natao ho an’olona tsara sitrapo sy tena resy lahatra ho an’i Madagasikara ve izany ilay tanàna? Toa mitady hizahozaho ny volo mpanoha-randrana sy ny fandoto iray tandroka. Amin’ny ankapobeny, mendrika ny higoka fampandrosoana tena izy ilay firenena fa tsy natao ho ombivavy be ronono, ho tsentsefina sy horobaina.
r.r