VAOVAO TAMBATRA

Miisa 2 ny angidimby hampiasaina hamonoana andiam-balala any amin’ny faritra Ihorombe sy Anosy. Andiam-balala maherin’ny 20 novonoina tany Ihorombe ary 4 tany Anosy, hatramin’ny 5 jona teo. Misy famantarana manokana ireo angidimby manao ny asa. Avela 48 ora vao mahazo miditra ny toerana norarahana fanafody ny biby fiompy sy ny olona.

Miisa 7 ny kaominina voakasiky ny tetikasa Lalanay, irahana amin’ny ONG Lalana. Voakasik’izany ny faritra Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony. Entina hanatsarana sy hanamafisana ny fikojakojana maharitra ny lalana kaominaly izy ity. Manara-maso amin’ny fenitra ny minisiteran’ny Asa vaventy.

Tofoka noho ny fahatapahan-jiro lavareny ny fiarahamonina. Mitokona sy mandoro kodiarana ny sasantsasany amin’ny fokontany eto an-dRenivohitra. Hatreto, tsy mbola nitondra vahaolana manoloana ny zava-misy ny orinasa Jirama. Nilaza ity farany fa miiba ny renirano mpamokatra herinaratra ao Andekaleka, mitarika ny delestazy amin’izao fotoana.

Voaresaka nandritra ny dinik’asa momba ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara ny fandrosoan’
ireo tetikasa vatsian’ny Bad vola. Hamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa samihafa ahafaha-manatanteraka ireo tetikasa mba hahazoana vokatra ho an’ny tombontsoan’ny mponina. Tanjona ny hampiasa amin’ny fomba mahomby ny renivola ananantsika hanohanana ny fampandrosoana.

Partager sur: