Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika any am-ponja, ilay lehilahy nanolana sady namono zazavavy tao Miarinarivo. Fidorohana rongony no nanosika azy hanolana.
Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy, omaly, ny lehilahy nanolana sady namono zazavavy vao 4 taona monja tao amin’ny kaominina Antoby Atsinanana, distrikan’i Miarinarivo. “Niaiky ny heloka vitany izy. Nanao ny fanolanana noho ny fidorohana zava-mahadomelina io lehilahy io”, hoy ny fanazavan’ny zandary kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Miarinarivo. Tsy nahafehy ny fihetsiny sy ny filan-dratsiny intsony ilay lehilahy ka nanita-kevitra nanolana. Araka ny angom-baovao, nilalao niaraka tamin’ny ankizy namany teo an-tokotany, tao amin’ny fokontany Maromanana, ilay zazavavy, ny tolakandron’ny alahadin’ny Pantekoty teo. Norebireben’ny tovolahy iray mponina eo an-tanàna ireo zaza mianadahy. Nentiny nihazo ny saha izy ireo. Nanaovan’io tsy mataho-tody io ny filan-dratsiny ilay zazavavy. Nikoropaka ny renin’ ny zaza nikaroka ny sombiniainy. Nentin’ilay zazalahy niaraka nilalao tamin’ny zanany tany amin’ny toerana nisy ilay zazavavy io renim-pianakaviana io. Efa nivoa-dra, nihanjaka tanteraka ilay niharan’ny fanolanana. Nahitan’ny manam-pahefana mangana koa ny tendany. Nokendaina izy. Natao ny fitiliana ny vatana mangatsiaka. Voamarina fa niharan’ny fanolanana ary novonoina io zazavavy vao efa-taona io.
Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka
Niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny ray aman-drenin’ilay zazavavy sy ny mpitandro filaminana. Nanonona ny anaran’ny nanao ny fanolanana ilay zazalahy niara-nilalao tamin’ity zazavavy lasibatra ity. Nifampitadiavana io lehilahy voalaza io izay tsy vaovao amin’ny fianakaviana. Voasambotra tao amin’ny fokontany Soanierana ny nahavanon-doza. Nikasa hidaroka sy hanao fitsaram-bahoaka ny fokonolona. Voasakan’ny zandary anefa izany. Nentina atao famotorana izy ary izao niafara amin’ny fihazonana vonjimaika any am-ponja izao.
Tsiferana R.