Mpanakanto 10, karazan-kanto 10. Nosafidian’ny fikambanana Artistes Malgaches hitondra ny kanto marolafy mandritra ny fampirantiana « Carte blanche », hotontosaina eny amin’ny Maison sociale des arts Ambatovinaky izy ireo, ny 14 hatramin’ny 28 jona ho avy izao. Sandrine Andria (mpikirakira lamba), Ampelagie (mpaka sary), Mendrika Ratsima (mpanakanto marolafy), Beool Natsangananahary (mpanao hosodoko), ShamArchi (designer), Kuro Hime (mpanakanto marolafy).Miampy an’i Meva Sanjy (Fashion designer), Black Swan (poeta) ary i Jean Nirina (hairaha amin’ny endrika amam-bika). Samy hitondra ny sanganasany, araka izay lohahevitra nosafidian’izy ireo avy, mandritra ny hetsika. Izay rahateo no maneho ny lohahevitra « Carte blanche », satria ny aingampanahin’ny mpanakanto tsirairay no hsongadina amin’izany.
Sehatra malalaka, saingy mitondra hafatra arakaraka ny aingampanahin’ireo mpanakanto izy ity. Misy hafatra sy lalan-tsaina maromaro voizin’ ny fikambanana, hampitaina amin’ny alalan’ny zavakanto. Mitambatra izy ireny mba hanentanana ny fiarahamonina, indrindra ny mahakasika ny fanoherana ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra, sy hanomezana fanantenana ihany koa. Hisy fihaonana amin’ireo mpanakanto tsirairay, arakaraka ny seha-kanto havoitrany, mandritra ny hetsika. Endrik’ilay fisokafana tadiavina anatin’ny « Carte blanche » ihany koa izany.
Zo ny Aina