“Cosafa Cup” : Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea de Madagascar

Barea de Madagascar hifandona amin’i Angola. Afrika Atsimo hifampitana amin’i Comores. Ireo ny fandaharan-dalaon’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny “Cosafa Cup 2025”. Fihaonana hotantera­hina rahampitso, ao amin’ny Kianja Toyota stadium, Afrika Atsimo.

Manohy ny diany any amin’ny dingana ma­nasa-dalana ny Barea de Madagascar (A’), eo amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup 2025). Ny fandresen’i Tan­zanie an’i Eswatini no nahazoan’ny Malagasy ny tapakila. Omaly, tao amin’ny Kianja Toyota Stadium Afrika Atsimo, lavon’i Tanzanie tamin’ny isa 2 no ho 1 i Eswatini, ho an’ny sokajy “C”. Vokatra, mametraka ny Barea de Madagascar eo amin’ny lohany.
Raha tsiahivina, manana isa 4 ny Barea, rehefa nandresy an’i Tanzanie tamin’ny isa 1 no ho 0 ny zoma 6 jona, sy nisaraka ady sahala 1 sy 1 tamin’i Eswatini, ny alatsinainy 9 jona teo. Faharoa, ry zareo Tanzanianina manana isa 3, resy indray mandeha ary nandresy indray mandeha. Faha­telo farany i Eswatini, isa 1 monja.
Araka izany, hiatrika ny an­katoky ny famaranana izany ny Barea de Madagascar rahampitso zoma ka hifanandrina amin’i Angola, tafavoaka tao amin’ny sokajy “B”. Fihao­nana hotanterahina ao amin’ ny Kianja Toyota Stadium.
Raha hiverenana ny fihaonana teo amin’i Eswatini sy i Tanzanie, omaly, nanokatra ny isa voalohany i Eswatini, tamin’ny alalan’i Andy Junior Magagula, teo amin’ny minitra faha-29. Nosahalain-dry zareo Tanzanianina izany, rehefa namono baolina tany amin’ny minitra faha-37 i Iddy Nado. Io isa 1 sy 1 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fidirana faharoa, nifandimbiasana ny fanafihana. Nanampy ny baolina ho azy indray i Shekhani Ibrahim Khamis, teo amin’ny minitra faha-70. Teo dia efa nazava ny lalan’ny Barea de Madagascar. Ho an’ny manasa-dalana ilany, hifandona amin’i Comores ry zareo Afri­kanina Tatsimo mpampian­trano.

Tompondaka

Partager sur: