Ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana ary ho fanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara, nisitraka dabilio vita amin’ ny fako plastika voahodina ny EPP Ivato Base, omaly. Fiaraha-miasa telo sosona avy amin’ny Andao Company, Total Energies ary Ravinala Airports no nahazoana ny vokatra.
Tanjona ny hanohanana ny sehatry ny fanabeazana izay fototry ny fampandrosoana, indrindra ho an’ireo katitakely avy ao amin’ny kilasy T2. « Miisa 25 ireo dabilio vita avy amin’ny fako plastika voahodina, maharitra 10 taona mahery izany ary vita avy amin’ny daba mavo avokoa », hoy ny tale jeneralin’ny Andao Company, Ramisaona Zina. Mitotaly 700 kg ireo fako plastika nampiasaina sy nahazoana ny vokatra. Plastika milanja 25 kilao no ahavitana dabilio iray. Kendrena ny hanomezana fanaka lovain-jafy ho an’ireo mpianatra sy hisitrahan’izy ireo fotodrafitrasa mafy sy maharitra ary mateza, hoy hatrany ny fanazavana. Ankoatra izay, navaozina ny efitrano miisa roa ao amin’ny sekoly rehefa simba sy tsy azo nampiasaina intsony tao anatin’ny roa taona. « Ankehitriny, afaka mandray mpianatra vaovao hafa miisa 80 ny sekoly ka hahazaka mpianatra manodidina ny 430 eo ho an’ny taom-pianarana hoavy », hoy ny talen’ny EPP Ivato Base, Razafiarisoa Hajaniaina.
Ankilany, nohavaozina ihany koa ny efitrano ao amin’ny EPP Andafiavaratra. Nisitraka fampitaovana ireo mpianatra. Tanjona ny hahafahan’izy ireo mivoatra sy misitraka fanabeazana mirindra mandritra ny taom-pianarana. « Tafiditra anatin’ny hetsika RSE ataon’ny Ravinala Airports ny hetsika, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Hanomezan-danja ny fako plastika ho azo ahodina sy ampiasaina indray koa », hoy ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre.
Henintsoa