Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny fivoriana namintina ny asa vita tamin’ny fanovana ho niomerika ireo antontan-taratasy kirakiraina eny anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany “Cirdoma” sy ny fandrefesan-tany “Cirtopo”. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Produir ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Nanaovana tombana tamin’izany ny asa vita amin’ireo sampandraharaha rehetra eo anivon’ny fananan-tany. Voaresaka tamin’izao fivoriana izao ny fomba fiasa sy ny fanomanana ireo teknisianina amin’ny asa mbola hatao. “Natao izany hahazoana antoka ny fitohizan’ ny asa ary ho fanamorana ny fitantanana ny fananan-tany”, hoy ny tomponandraikitra.
Etsy andaniny, hametrahana fitaovana mpaninjara vaovao eto Antananarivo Renivohitra. Manome ireo antontan-taratasy ofisialy, toy ny taratasy manamarina ny fananan-tany amin’ny endrika niomerika sy ny sarin-tany ny fitaovana, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. “Mitondra amin’ny fampandrosoana, manamora ny fahazoan’ny mponina eto an-dRenivohitra ireo antontan-taratasy ilainy amin’ny raharaha mahakasika ny taniny izany”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa tonga nanatrika ity fotoana ity ny tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny tany, sy ireo ekipa teknika avy ao anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).
Synèse R.