Hohatsaraina ny zotram-pifidianana. Noraisin’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, ny solontena maharitry ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud), ny Dr Edward A. Christow.
Nivoitra tamin’izany fihaonana izany ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa fanamafisana ny zotram-pifidianana sy demokratika “RPEDEM”, eto Madagasikara. Anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Ceni ny ezaka hataon’izy ireo ho fanatsarana izany. “Hirona mankany amin’ny fampiasana ny teknolojia, amin’ny alalan’ny “Biométrisation” izahay”, hoy izy. Naneho fahavononana hanohana izany dingana lehibe hokasain’ity rafitra mpikarakara sy mpanomana fifidianana ity ny eo anivon’ny Pnud. Vonona izy ireo hifanome tanana ahafahana manatanteraka izany eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny Dr Edward A. Christow. Noresahina ihany koa ny momba ireo dingana noraisin’ny Ceni ho fanatsarana ny raharaham-pifidianana. Notsindrian’ny solontena maharitry ny Pnud fa lavorary ireo dingana natao rehetra tamin’ny fandrindrana sy fikirakirana ny fifidianana.
Efa novoizin’ny mpanohitra tamin’ny taona 2021
Tsiahivina fa anisan’ny efa nivoy ny hirosoana amin’ny haitao ara-kajy mirindra hiatrehana ny fifidianana ny eo anivon’ny Rodomben’ny mpanohitra sy ny vondrona Panorama, ny volana novambra 2021. Nohitrikitrihin’ny depiote Ratsiraka Roland tamin’izany fa vao mainka mitongilana noho ny taloha ny Ceni ankehitriny. “Tsy tokony hanao fifidianana isika amin’ny taona 2023 raha tsy miova ho “biométrique ny kara-pifidianana. Tsy misy fifidianana mandeha eto raha tsy “Carte électorale Biométrique” no ampiasaina”, hoy hatrany izy.
Midika ve izany fa mitovy amin’izao dingana hirosoan’ny Ceni izao izany hevitry ny mpanohitra tany amin’ny efa-taona lasa izany ?
Synèse R.