Faritra Vakinankaratra : Mametraka ny tany tan-dalàna ny prefet

Mitohy isam-bolana tahaka ny fanao ny fihaonan’ireo solontenam-panjakana miaraka amin’ny governoran’ny faritra Vakinankaratra amin’ny mpanao gazety. Anisan’izany ny notanterahina ny herinandro teo, tao Antsirabe.

Nandray ireo solontenam-panjakana, toy ny Prefet, sefo distrika, lehiben’ny “Centre d’immatriculateur Antsirabe – Cim” ny eo anivon’ny faritra Vaki­nankaratra. Tafiditra amin’ny fihaonana fanao isam-bolana eo anivon’ny faritra, iarahana amin’ny governora, Vyvato Rakotovao, amin’ireo mpanao gazety izany. Anisan’ny nitondrana fanazavana tamin’ity ny fitantanan-draharaham-panjakana ka nanazavan’ny Prefet Raharison Tsiriaina Miarana ny momba ny filaminana anatiny, ny fametrahana hatrany ny tany tan-dalàna.
Voaresaka koa ny momba ny tambin-karama sy ny olan’ireo sefo fokontany. Eo koa ny doro tanety. Tsy hadinoina ny ady amin’ny halatra omby, miseho amin’iny faritra andrefan’i Betafo iny. Nanaovana tombana ny fivoaran’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny Odof. Nohazavaina tamin’ny fihaonana ireo tolotra samihafa sy ny fanatsarana entin’ny Cim.
Ankoatra izany, nampahafantarina ny hofizotry ny he­tsika fanamarihana ny fetim-pirenena, faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena.
Hetahetan’ny vahoaka sy ny olana eny ifotony

Nitondrana fanazavana sy torolalana avokoa ny momba ireo rehetra ireo ary nanomezana toromarika ny solontenam-panjakana.

Tsiahivina fa anisan’ny fomba fiasa mahomby eo anivon’ny faritra Vakinankaratra ity fihaonana isam-bolana ataon’ny governora sy ireo tomponandraikitra samihafa amin’ny mpanao gazety ity. Ahafantarana ny hetahetan’ny vahoaka sy ny olana ka ampitain’ny mpanao gazety amin’ny mpitondra fanjakana. Tafiditra amin’ny vinan’ny filoha Rajoelina Andry ny fifampizarana sy fifandraisana amin’ny mpanao gazety tahaka izao, hanaovana tatitra ny asa vita. Nanomboka ny taona 2021 ny nanaovana izany ho an’ny ao Vakinankaratra.

Synèse R.

Partager sur: