“Festival de trails Madagascar” : Eny Ambohijanaka ny andiany voalohany

Hatao ny sabotsy 21 jona izao, eny Ambohija­naka, ny andiany voalohany amin’ny “Festival de Trails Madagascar”, karakarain’ny fikambanana Kolo­vatana. Natao ity hetsika ity mba hampivondronana sy hanentanana ny tanora sy ho fampiroboroboana ny fizahantany. Manana tombony ny tanànan’Ambohijanaka, 11 km miala an’Antananarivo, ho an’ny karazana hazakazaka an-tendrombohitra. “Tanjona ny hampiroborobo ny fandraisan’ny tanora anjara amin’ny fanatanjahantena, manabe sy mampiseho ny fahaiza-mia­trika ady sy ny fahaiza-mana­tsara tena”, hoy ny filoha mpanorina ny Kolovatana, Andri­a­mamonjy Mihasintsoa. Hison­gadina ny hazakazaka: 3 km ho an’ny ankizy, 7 km ho an’ ny olon-dehibe, na mandeha tokana na tsiroaroa, lahy sy vavy, na amin’ny ekipa, ary 21 km ho an’ny matihanina. Eo amin’ny bisikileta kosa, 5 km ho an’ny ankizy, 21 km cross-country ho an’ny matihanina sy ireo mampiasa “VTT électrique”. Misy koa ny “endure-extrême” ho an’ireo mpanao “descente”. Misokatra hatramin’ny 15 jona ny fisoratana anarana.

Henintsoa

Partager sur: