INDRAY MIJERY

Nanamarika ny 25 taona nampianarany ny sampana Science et ingénierie des matériaux (SIM) eo anivon’ny Sekoly ambony Polytechnique Antananarivo, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny fototra amin’ny famolavolana injeniera manana ny fahaizana manokana momba ny « matériaux » io sampam-piofanana io.

« 18 000 Ar isan-taona ny hofan’ny tranon’ny mpianatra eny Vontovorona », hoy ny talen’ny Croua, i Mamisoa Aina. Mbola ireo mpianatra ao amin’ny L1 ihany nefa no nahaloa ny izany hatramin’izao, araka ny voalazany. Misy ezaka ny fitsinjarana ny trano ary atao mangarahara ny fizarana, 2 170 ireo mpianatra mipetraka eny amin’ny Cité raha 3 000 mahery ny mpianatra mianatra eny amin’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona.

Efa mamaramparana ny taom-pianarana ny sekoly manerana ny Nosy. Efa miditra amin’ny famandrihan-toerana ihany koa ny ray aman-dreny ho an’ny taom-pianarana manaraka 2025-2026. Tsy maintsy atao mialoha ny famandrihan-toerana na mifindra
kilasy na tsia ilay mpianatra. Aloa mialoha koa ny saram-pisoratana anarana amin’izany.

Hisy ny hetsika ara-pahasalamana hatao ao amin’ny Kianja Barea P 2, ny 18 sy 19 jona izao, ahitana tolotra maro toy ny fitiliana diabeta, fitsapana tosidra, fizahana maso…. Hisy koa ny famelabelarana
ara-tsoratra masina mahakasika ny fomba atao mba hahela velona.

Partager sur: