Mandray anjara amin’ny zaikabe iraisam-pirenen’ny infirmiera any Helsinki, Finlande ny filohan’ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara (Conim), Andrianarison John na i John Love. Sehatra hahafahana mivelatra sy mitondra ambony ny lentan’ny infirmiera eto Madagasikara ity atrehina any an-toerana ity, hoy izy. Efa mpikambana feno ao amin’ ny filankevitra iraisam-pirenen’ny mpitsabo mpanampy ny Conim ary tombony lehibe izany fankatoavana iraisam-pirenena izany.
Fifampizarana fahalalana sy fandinihana ireo olana amin’ ny sehatry ny asan’ny infirmiera maneran-tany no hatao mandritra ny fihaonana. “Herin’ ny mpitsabo mpanampy hanova izao tontolo izao” no lohahevitra voizina amin’izany.
Sambany nandray anjara tamin’ity fihaonambe ity i Madagasikara. Nitondra ny feon’ny infirmiera malagasy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny solontena nanatrika ny fihaonana.
Hitarika amin’ny fifanarahana ara-piaraha-miasa matotra amin’ireo firenena vahiny samihafa ny fankatoavana iraisam-pirenena azon’i Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny infirmiera.
Nodinihina nandritra ity fihaonambe ity koa ny fivoarana tsy azo ihodivirana eo amin’ny tontolon’ny teknolojia dia ny faharanitan-tsaina artifisialy na ny IA eo amin’ny fikarakarana ny fahasalamana. Niaraha-nijery ihany koa ny fiahiana ireo mpiasan’ny fahasalamana any amin’ny firenena miatrika ady fa indrindra ny fiatraikan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro.
Tatiana A