Amin’ny ankapobeny, mbola ahenoina lesoka goavana be ny tontolon’ny kabary. Hita amin’ny fihetsiky ny mpikabary sasany. Heno amin’ny fomba famoahany fehezanteny fa manao tsianjery. « Miala fondro, miala salohy fito tompoko » ! Inona ny fondro ? Inona ny salohy fito ? Sady tsy hainy no tsy fantatr’ilay mpikabary ny heviny. « Ny fitiavana va re no mahatazona ny laka sa ny fandrindahy no nanampatra ny heriny » ? Rehefa anontaniana ilay mpikabary ny amin’ny atao hoe « fandrindahy », tsy fantany.
Tranga fahita sy faheno matetika ny tahaka ireo. Mila mandalina teny malagasy ny mpikabary ankehitriny. Tokony hampidirina ho anisan’ny taranja ianarana ao anatin’ny kabary ny fandalinana ny teny malagasy (voambolana, anarana, tantara…). Na, mila mamaky boky maro izay manam-piniavana sy mahatsiaro fa itoeran’ny talenta amin’ny fitenenana.
Mila manao ezaka lehibe ihany koa ireo mpampianatra sy mpampiofana ireo tanora te hikabary. Manatevim-pahalalana any amin’ireo heverina fa zoky sy raiamandreny manana traikefa amin’ny kabary.
Raha ireo no tsy omen-danja. Hihen-danja ny kabary malagasy ka ho zary endrika ivelany sy lamaodin’ny vanim-potoana sisa no hampiasana azy.
HaRy Razafindrakoto