Notontosaina tao amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Resy tamin’izany ny Makis Ladies, rehefa lavon’i Ouganda, tamin’ny isa 24 no ho 20, i Ouganda. Tsiahivina fa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, somary sahirana ny ekipa nasionaly malagasy, nitarika 12 no ho 10 i Ouganda. Ny Makis anefa no nanatitra ny baolina nentin-tanana voalohany, tamin’ny alalan’i Zouhanah, ny minitra fahadimy nilalaovana. Nandritra ny fidirana faharoa, hita ho taitra tamin’ny torimasony ny vehivavy malagasy. Nahatsindry baolina iray ny Makis, sady nahita fitsarana iray ka izy ireo indray no nitarika 20 no ho 12. Taorian’io, nanjaka amin’izay ny ogandey, ka niampy indray ny isan’izy ireo teny amin’ny solaitrabe, niafara tamin’ny isa 24 no ho 20 ny fihaonana.
« Hita ho mbola lesoka hatrany ny resaka fanariana baolina sy ny fikorapahana be loatra rehefa manao fifanafihana. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ireo mpilalao manaraka ny namana mitondra baolina. Hezahina harenina avokoa izany amin’ny lalao manaraka”, hoy ny mpanazatra ny Makis Ladies, ny Coach Ralay.
Hifanandrina amin’i Afrika Atsimo moa ny ekipam-pirenena malagasy, ny alahady ho avy izao, eny Andohatapenaka ihany.
Fitia Randria