Natolotra ny fampanoavana, eny anivon’ny fitsarana Anosy, afakomaly, ilay teratany indianina saika hanondrana antsokosoko vovo-bolamena ho any Dubaï, ny 5 jona lasa teo. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tenany taorian’ny valim-pitsarana. Nilanja 422,72 g ny ny harem-pirenena sarobidy teny aminy, saron’ny polisy misahana ny sisintany eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nafangaro tamin’ny tanimanga ireo vovo-bolamena ireo ary natao miendrika lovia miloko mainty miisa 15. Norakofana tamin’ny loko mainty hampiraikitra sy hanakonana izany.
Nahatsikaritra zavatra mampiahiahy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fisavana ka nanamarina ny entana nentin’ity teratany indianina ity. Nogiazana eny anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara ireo entana tratra ireo, araka ny lalàna manan-kery.
Manamafy ny fiaraha-miasa hatrany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny. mba hahafahahan mifehy ny fandikan-dalàna eto Madagasikara, indrindra ny mahakasika ny harena an-kibon’ny tany.
Mino