Sendika MEETFP : « Ilaina apetraka ny traikefa »

Tontosa ny herinandro teo ny kongresin’ny Sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (STMEETFP), Atsimo Atsinanana. Maromaro ny fitakian’izy ireo, araka ny tatitry ny sekretera jeneraly nasionaly, Rakotoarison Claude Marie. “Homena lanja ny traikefa sy fahaiza-manao tendrena eo anivon’ny minisitera. Olona mahalala sy manana vina mampandroso ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa”, hoy izy. Vonona hanaja ny maha olona, tsy hitsapatsapa ary afaka hidina ifotony sy hamaha ny olan’ny mpanabe sy ny mpampiofana amin’ireo sekoly miankina na tsia. Tsy hitondra mpiasa avy any ivelany, hanilihana ireo mpiasa raikitra, araka ny nambarany.
Takin’izy ireo ny hampitomboana ny “Poste budgétaire  2025″ ho an’ny METFP mifanaraka amin’ny filan’ny toeram-piofanana. “Ahafahana mampiditra ho mpiasam-panjakana ireo mpiasa an-tselika izany”, hoy izy ireo.
Eo koa ny hanendrena ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, toy ny talem-paritra, ny lehiben’ny sampandraharaha, “Proviseur LTP” mba hampirindra ny asa eo anivon’ny faritra.

Synèse R.

Partager sur: