SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny “Olympic Day”. Nisy ny hetsika nanamarihina izany, nialohavan’ny seminera natokana ho an’ny atleta nandritra ny 2 andro ka nizarana ny medaly ho an’ny mpandray anjara.

Hotanterahina ny 14 jona izao ny hetsika “Girl’s Open Mat”, taranja Jiu-jitsu Brezilianina. Miso­katra ho an’ny vehivavy amin’ny sokajy rehetra misehatra amin’ity taranja ity izany, izay karakarain’ny Klio­ban’ny Checkmat Jiu-jitsu Madagascar.

Voatendry ho mpilalao mendrika ao amin’ny fifaninanana Seychelles Premier League, i Elio Mbo­latovo, malagasy lohalaharan’ny klioba any an-toerana, Côte d’Or. Tsiahivina fa nahatafiditra baolina miisa 10 ny tenany nandritra ny lalao rehetra nataony, araka ny fikarohana natao omaly.

Namoaka ny lisitry ny mpilalao hiatrika ny fifaninanana maneran-tany ho an’ireo klioba ny eki­pan’ny Real Madrid, espaniola, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Mbola tazana ao ny anaran’i Modric, mpilalao kroaty izay efa mamarana ny taom-pilalaovany ao amin’ity klioba espaniola ity.

Partager sur: