Tanàna madio: Raikitra ny fifaninanana

Manomboka amin’ny tena sy ny toerana misy antsika ny fiovana. Anisan’ny foto-kevitry ny fifaninanana “Tanàna madio, maitso sy maha te-honina” iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany. Nirotsaka an-tsehatra nanomboka ny azy ny faritra Analamanga sy Analanjirofo. Niarahin’ireo tomponandraikitra ny hetsika ho mariky ny fandavan-tena sy ho fanohanana ny hetsika mba ho lasa fahazarana tokoa ny miaina anatin’ny tanàna madio.
Efa nanomboka izany koa ny faritra Amoron’i Mania sy Alaotra Mangoro. “Tsapa fa miara-misalahy ny ankamaroan’ny mponina mba ho tena kanto sy meva ny tanàna”, hoy ny eo anivon’ny MFFT, omaly. Hampahafantarina hatrany ny ezaka ho fiaraha-mientana sy ho fampirisihana ny tsirairay handray an­jara, araka ny nambaran’ny minisitera hatrany.

Synèse R.

Partager sur: