TARATRY ny KANTO

Hiverina indray ny hiragasy goavambe, ao amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha. Hifanandrina, ny alahady 15 jona ho avy izao, ry Randrianasolo Betsi­leo Zanany sy Ramaroson Amparimanga. Hanom­boka amin’ny 10 ora maraina ka mandra-paharivan’ny andro toy ny mahazatra izany.
Hivoaka ny zoma 13 jona izao ny « Raolom­belona ». Fampiaraham-peon’i Tongue Nat sy Mash­manjaka izy ity, izay hanehoan-dry zalahy indray ny fampiarahana talenta feno fahamatorana anaty mozika rap. Fanombohana fiaraha-miasa, izay azo antoka fa hitohy amin’ny seho iarahana izany.
Nanamarika ny « Iray volan’ny teny Mala­gasy » koa ,omaly, ireo mpianatry ny Lycée Raom­bana, eny Anosiavatra Avaradrano. Nisy ny velakevitra notarihin’ireo mpikabary sy mpanoratra. Narahina fian­tsana tononkalo sy seho vakodrazana izany. Teo koa ny famelabelarana mahakasika ny lohahevitry ny fankalazana amin’ity.
Mihetsika ny sampan’ny Faribolana San­dratra any amin’ny faritra. Aorian’ ny hetsika « Hadi­miana Sandratra”, etsy Anosy, hamoaka ny boky « An­dran­kalo » i Mioranandriana, poeta, any Ambo­sitra. Hotontosaina ny sabotsy 14 jona izao io, ao amin’ny Maison Orange, tampon’i Vinany Ambositra.

Partager sur: