Voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Besavoa, afakomaly maraina, ny lehilahy fito, voarohirohy amin’ny fisolokiana sy fanaovana trafikana voamaso. Naharay angom-baovao tamin’olona tsara sitrapo ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna Ihosy tamin’ ny 6 ora maraina fa misy andian’olona mandehandeha sy mivezivezy ao an-tampon-tanàn’Ihosy, hitady mpividy voamaso. Nidina ifotony nanao vela-pandrika sy fanadihadiana izy ireo taorian’izay. Vokany, tratra tao amin’ny fokontany Besavoa ny fito lahy niara-dia. Rehefa natao ny fisavana, nahatrarana voamaso roa efa maina teny amin’ izy ireo. Nentina teny anivon’ ny biraon’ny polisy avy hatrany ireo voarohirohy nanaovana fanadihadiana. Fantatra nandritra ny famotorana fa masona dahalo nalevin’olona tao Andonaka, kaominina ambanivohitrsa Ambaniroa, disitrikan’Ambalavao, io nalaina sy nitadiavana mpividy io. Nokasain’ireto olon-dratsy ireto hamidy tany Ihosy izany ka izao tra-tehaky ny polisy izao.
Valo ny tranga fakana taova
« Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny tsy fandriampahalemana ny olona manana toetena varira amin’izao fotoana izao », hoy ny filohan’ny fikambanana, Soja Fulgence. Valo ny tranga fakàna taova natao tamin’ny olona manana toetena varira teto Madagasikara, roa ny maty tamin’ity taona ity, raha ny tatitra voaray. Nahatratra 24 ny tranga, 22 ny namoy ny ainy tamin’ny taon-dasa. 21 ny tranga tamin’ny taona 2023, 22 ny maty. Anisan’ny lasibatra amin’ ny karazana herisetra ny avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Androy, Anosy ary Vatovavy Fitovinany. Marihina fa lany teo anivon’ny Antenimierampirenena, omaly, ny tolo-dalàna hiarovana ireo manana toetena varira, araka ny lalàna laharana 005-2024/PL, natolotry ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Betroka, Randrianasolo Jean Nicolas.
Mino